Song of Solomon 8

1Enga anie ka ho tahaka ny anadahiko, izay ninono an’ ineny, ianao! Dia ho nahita anao teny ala-trano aho ka ho nanoroka anao. Eny tsy ho azon’ olona notevatevaina aho. 2Dia ho entiko ka hampidiriko ho ao an-tranon’ ineny ianao, ary hampianarinao aho; Hampisotroiko divay noharoharoan-java-manitra mbamin’ ny ranon’ ampongaben-danitro ianao. 3Aoka hanondana ahy ny tànany ankavia, ary aoka hanohona ahy ny tànany ankavanana. 4Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.

Ny nandehanany ho any amin’ ny tany nihavian’ ny ampakarina

5Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ ny malalany? Teo ambanin’ iny hazo poma no namohazako anao; Teo no niterahan-dreninao anao, eny, teo no nahararian’ ilay niteraka anao. 6Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita
Heb Sheola.
ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’ i Jehovah.
7Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy; Na dia misy olona manome ny fananany rehetra ao an-tranony aza hamidy fitiavana, dia hatao tsinontsinona izy. 8Manana zandrivavy tsy mbola misy nono izahay
Na: isika.
; Ahoana no hataonay
Na: hataontsika.
amin’ ny zandrivavinay
Na: zandrivavintsika.
, raha mby amin’ izay andro hangatahan’ olona azy ho vady?
9Raha manda izy, dia hanangananay
Na: hananganantsika.
tilikambo volafotsy eo an-tampony; Fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay
Na: hotampenantsika.
hazo fisaka sedera.
10Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho. 11Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin’ olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon’ ny vokatra. 12Ny tanim-boaloboko, eny, ilay an’ ny tenako, dia eto anatrehako, Ny arivo kosa dia anao, ry Solomona, ary ny roan-jato ho an’ izay mpiandry voly. 13Ry mitoetra eny an-tsaha! Te-hihaino ny feonao ireo namako; Mba ampandreneso izany koa aho. 14Mandosira, ry malalako, ary aoka ianao mba ho toy ny gazela
Anaram-biby haingan-tongotra.
na ny diera tanora eny an-tendrombohitry ny zava-manitra.

Copyright information for Mg1865